- Publicité -
lundi, janvier 19, 2026
AccueilFaits-DiversYoongs : Efa miverina mamoron-kira

Yoongs : Efa miverina mamoron-kira

Omaly no nanome fanazavana ny mpiara-mihira aminy (Wada) fa efa miverina amin’ny tontolon’ny kanto i Yoongs. Notsipihiny koa fa efa nivoaka ny hopitaly ny mpanakanto ary efa niara-niverina niditra amin’ny trano fandraisam-peo (studio) ny tarika ary hisy hira hivoaka tsy ho ela. Izany fanazavana izany dia toa efa manamafy sahady fa tsy misy ny aretin-tsaina izay nahazo an’i  Yoongs arak’izay tsaho niely taorian’ny fangalàna azy tamin-kery tao an-tranony tetsy Ambohipo. Raha hiverenana dia tonga teny an-toerana ny fianakaviany mba haka azy rehefa nolazaina fa misy olana ara-pahasalamana izy. Nifandroritana satria tsy nanaiky mora foana Yoongs. Tonga teny an-toerana hatramin’ny mpitandro ny filaminana mba nanampy ny fianakaviany. Rehefa nentina teny amin’ny hopitaly Befelatanana indray dia nirifatra nitsoaka ny mpanakanto ary nifanenjehana. Teny Mahamasina vao tratra ary nentina niverina ny hopitaly. Herinandro taorian’izay dia efa niverina amin’ny fiainana andavanandro izy raha jerena amin’ilay fanehoan-kevitr’i Wada, mpiara-mihira aminy. Mbola mijanona ho tantara ny fandalinana nataon’i Yoongs ary mety ho antony nilazàna azy fa marary. Raha hiverenana dia olona maro no tonga teny an-tranony taorian’ny fanehoan-keviny mivantana tamin’ny tambajotra sosialy, indrindra raha nilaza izy fa misy olona tonga hisambotra azy. Nisahotaka Ambohipo satria tao ny liana ary tao koa ny tonga hamonjy azy. Rehefa tena nozahàna anefa ny fandehan-javatra dia ny fianakaviany izay haka azy mba ho entina eny amin’ny toeram-pitsaboana no tonga tao, saingy nangataka ny fanampian’ny mpitandro ny filaminana satria nahery fiteny sy fihetsika Yoongs, io farany izay tsy nanaiky mihitsy ny filazàna hoe marary izy ka mila entina eny amin’ny toeram-pitsaboana. Niravona izany ny raharaha Yoongs ary tsy ho ela dia efa hiverina amin’ny tontolon’ny kanto indray izy sy ny tariny miaraka amin’ny hira vaovao.   

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici