- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRocade : Nifanenjehana ny mpanao « run sauvage »

Rocade : Nifanenjehana ny mpanao « run sauvage »

Raikitra ny fifanenjehana manodidina ny lalam-baovao Rocade ny alin’ny alakamisy teo. Tsy nampoizin’ireo mpisetrasetra amin’ny fiarakodia ny fisian’ny polisy izay nanao fisafoana tampoka ary niomana. Toa ireny amin’ny horonan-tsary any ivelany ireny ny zava-nitranga. Nenjehin’ny polisy ny mpanao « run sauvage ». Tsy nampoizin’ireto farany fa efa nisy ny lamina efa nipetraka toa ny fanasiana barazy. Nisy tamin’ireo nitsoaka no tsy afaka nihetsika intsony rehefa tratran’ny sakana ary dia noraisim-potsiny. Nentina tany amin’ny birao nanokafana fanadihadiana. Nisy ihany koa ireo tafaporitsaka ary inonana anefa fa ho fay tsy te-hiverina hanao hazakazaka tsy nahazoana alàlana etsy amin’ny Rocade intsony. Baranahiny loatra ity fisetrasetrana amin’ny fiara eny an-dalambe ity. Ny tena olana dia efa betsaka izay rà latsaka teo amin’ny lalam-baovao izay. Tsy ny fiarakodia ihany no mitarika ny loza fa eo koa ny kodiaran-droa. Ny olona tsy manan-tsiny izay mandeha amin’ny sisin-dàlana no matetika mitondra takaitra na mamoy aina mihitsy aza noho ny hetraketraky ny sasany. Any amin’ny firenen-kafa sasany dia tena tsy mitsitsy ny lalàna mahakasika itony « run sauvage » na « rodéos sauvage » itony. Tonga hatramin’ny fanasaziana an-tranomaizina sy fandoavana lamandy ary fanagiazana ny fananana ny miandry ireo mpisetrasetra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici