- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAkanin’ny zaza kamboty Ambatolampy : Fanolorana trano fatoriana hoan'ny zazavavy  no nanamarihana...

Akanin’ny zaza kamboty Ambatolampy : Fanolorana trano fatoriana hoan’ny zazavavy  no nanamarihana ny Noely

Niavaka ny fankalazana ny fetin’ny Noely hoan’ireo ankizy tezaina ao amin’ny akany fitaizana ireo zanaka pôlisy maty am-perinasa ao Ambatolampy. Ny sabotsy teo tokoa no tonga naira nifety tamin’ireo ankizy ny ray aman-dreny mpiahy azy ireo izay notarihan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur general de Police Andrianarison  Fanomezantsoa Rodlys sy ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur general de Police Rakotozanany Dany Marius. Ankizy 69 araka izany no  nisitraka fanomezana samihafa toy ny kilalao, vatomamy, akanjo vaovao , sakafo ary fitaovam-pianarana. Fanomezana izay avy amin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera, ny mpiara-miombona antoka maro ka isan’ny nanamarika ny tamin’ity taona ity ny fandraisan’anjaran’ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara. Nandritra izany no nanoloran’Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka  sy Ramatoa vadiny ny trano fatoriana vaovao hoan’ireo ankizivavy taizana ao amin’ity akany ity. Marihana moa fa tetik’asa avy amin’Adriamatoa Minisitra sy Ramatoa vadiny no nahazoana ity fotodrafitrasa ity, izay trano lehibe mirefy 640m2 ary misy rihana iray. Nohamafisin’ny minisitra fa ny herin’ny tenan’izy mivady, nampian’ny namana, ny orinasa sy olon-tsotra mpanohana ary ireo fikambanana marolafy eo anivon’ny Polisimpirenena no nahavita izao trano izao izay mbola mila tolo-tanana hatrany ahafahana mamarana ny pitsopitsony mba ho tena manara-penitra . Nambaran’ny Minisitra fa tanjona manaraka ny hanorenana trano fatoriana vaovao hoan’ireo ankizilahy izay hatomboka avy hatrany raha vao feno ny fepetra ahafahana manao izany. Naneho ny hafaliany moa ireo ankizy ary nanome toky fa hiezaka mafy amin’ny fianarana izay ataon’izy ireo.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici