Efa nigadra izy tamin’ny taona 2016 noho ny raharaha vaky trano. Izao indray dia nosamborina nojo ny famakiana tanànan’olona ka nangalara akoho 11 isa. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tratra ambodiomby ilay lehilahy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ka natao ny fisavàna ny toeram-ponenany dia mbola nahitàna fambolena rongony koa teo an-tokontaniny. Nitombo ihany izany ny vesatra ara-pitsaràna nobabeny. Tao amin’ny fokontany Ambatofotsy ny toerana izay novakiany ary ny misy ny trano hipetrahany indray dia ao Ambohidehilahy. Toerana roa tsy mifanalavitra ireo. Entina hilazàna fa mamely an-tanàna ity olon-dratsy izay hanao ny fetin’ny faran’ny taona maromaro any am-ponja ity. Momba ny rongony indray dia nohazavainy tamin’ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny zandary etsy Ambohimalaza fa ireny no ataony evoka amin’ny fatapera mialohan’ny hanaovany asaratsy dia ny famakiana trano izay manavanana azy hatrizay. Nidoboka am-ponja ity lehilahy ity rehefa natolotra ny fampanoavana.
D.R