
Manoloana ny disadisa momban’ny adin-tany izay miseho ao amin’ny Lycée technique professionnel ao Anjohivola Mandritsara dia nisy ny fidinana ifotony izay natao tao an-toerana ny sabotsy lasa teo izay notarihin’ny proviseur, Rafanomezantsoa Maxime sy ny filohan’ny Fram , Diamel ary ny sefo fokontany sy ny mpanao gazety tany an-toerana. Ireto farany dia nanakana ny fiasan’ny mpampianatra iray izay efa niasa tao ihany ny tanimbary ao an-toerana. Raha ny vaovao voaray dia voalaza fa tsy manana taratasy fazahoan-dalana miasa ity tany ity izay an’ny fanjakana ity mpampianatra ity ka izay no anton’izao fidinana ifotony izao izay nifanatrehan’ny andaniny sy ny ankilany.
Tamin’izao fidinana ifotony izao indrindra no nilazan’ny proviseur an’ity sekoly ity fa irakin’ny ministera izy ireo ary tsy maitsy hajanona ny asa izay atao eo amin’io tanim-panjakana io. Nanambara ihany koa ity farany fa efa tsy mpiasa ao intsony ity mpampianatra ity sady tsy manana zo amin’izany no sady efa « titré » sy « borné » amin’ny sekoly ny tany. Nilaza ihany koa ny tenany fa hisy ny fifampiresahana eo amin’ity mpampianatra ity sy ny ministera any ny sefo distrika. Manoloana izany dia tsy nanaiky lembenana ity mpampianatra izay miasa ny tany ity ka nilaza tamin’ireo tompon’andraikitra tonga teny an-toerana fa efa nisy ny didim-pitsarana milaza ny fananany zo amin’ny fiasany ny tany. Nilaza ihany koa ny tenany fa tokony ho hesorina daholo ireo olona mampiasa ny tanin’ny Lycée technique fa tsy ny tenany irery ihany no tokony hiharan’izany. Manoloana izany savorovoro izany dia nangataka ny filohan’ny Fram, Diamel ny mba hidinan’ireo tompon’andraikim-panjakana hizaha ifotony ny zava-misy marina mahakasika ity raharaha ity.
Narindra Rakotobe