- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Lietnà tsy mahay asa !

Talatamaty : Lietnà tsy mahay asa !

Mpaka sary an-gazety iray no saika nokasihan-tànan’ny zandary iray izay mitondra ny galona Lietnà. “Nanao ny asako ara-dalàna aho, naka ny sarin’ny lozam-pifamoivoizana, no avy hatrany dia noraran’ilay Lietnà sendra nandalo tamin’ny fiara 4X4. Efa navoakako ny karatra maha-mpanao gazety ahy saingy mbola taim-bava hatrany no valin’izany.

Moa mba fantatr’i Lietnà ve ny lalam-panorenana nohoseny raha toa ka nandràra ity mpaka sary an-gazety ity tsy nanao ny asany izy? Ny zon’ny olona hahafantatra ny zava-misy (droit à l’information) sy ny fahalalahana hiteny (libérté d’expression) no indray nohitsakitsahiny. Manaraka izany, tsy izy akory no tompon’antoka tamin’ny fanadihadiana fa mba sendra nandalo fotsiny ny tenany, raha araka ny fitantaran’ilay mpaka sary hatrany. Tsara ho fantatr’Ingahy Lietnà ihany koa fa rehefa eny an-dalam-be na eny amin’ny toerana ho an’ny dahalobe (endroit public) dia azon’ny tsirairay atao ny maka sary eny. Ary farany, misy lalàna mifehy ny sary (droit à l’image) : rehefa mihoatra ny fito ny olona azo anaty sary iray dia azo avoaka tanteraka an-gazety izany. Mbola azo tohizana aza hoe tsy miandry ny baikon’ny mpitandro ny filaminana akory ny mpanao gazety vao manao ny asany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser