
Nalaza tampoka tao anatin’ny tambajotra sosialy ny sarin’ity ranamana ity, avy nandoro ny fiarany ary nivoaka tsy taitra akory niaraka tamin’ny môtô avy eo. Tranga hafakely niseho ny andron’ny voalohan’ny taona teo tao Mahatsinjo Lalanginy, tany Fianarantsoa tany. Raha ny fampitam-baovao azo dia tena nataony fanahy iniana tanteraka ny nandoro izany fiara izany Fiaran’ny rainy io fiara io, marika « Peugeot 504 familiale », efa nahazo taona ihany. Matetika no simbasimba izany fiara izany ary mafimafy ihany ny mamelona azy. Izany no nitarika ny fahatezerany ary nahatonga an’ingahirainy handoro tanteraka ity fiara ity. Toe-javatra nahagaga ny maro tao anaty tambajotra sosialy. Niditra an-tsehatra ihany moa ireo mpitandro filaminana nijery akaiky ny zava-nisy saingy fantatra fa tsy nametraka fitoriana akory ny tompon’ny fiara ka dia niravona ny raharaha.
Nangonin’i m.L