- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Tsy hisy hazandrano intsony raha mitohy ny gaboraraka

Ambatondrazaka : Tsy hisy hazandrano intsony raha mitohy ny gaboraraka

Raha  nahatratra 1800 taonina ny vokatra hazandrano  taty Alaotra ny taona  2005. Zara  raha misy  600 taonina izany ankehitriny. Toa efa saika nandao an’Alaotra avokoa ny ankamaroan’ny mpanangona hazandrano vaventy eto Madagasikara .Nanomboka ny faha 15 novambre 2014 teo  ary tsy hisokatra raha tsy ny faha 15 janoary 2014 mantsy ny fikatonan’ny taom-panjonoana sy fanaratoana aty Alaotra, araka ny didy mitondra ny laharana faha 17 ao amin’ny faritra, izany navoaka ny faha 03 oktobra 2014 teo .Mihidy avokoa araka izany ny lakana rehetra ary miakatra an-tanàna ny harato .Hisy ny fanaraha-maso ataon’ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana

Anisan’ny olana amin’ny tsy fisian’ny hazandrano aty Alaotra  ny gaboraraka ataon’ny mpanarato sy mpanjono  miampy ny tsy fanajana ireo lalàna mifehy ny fanjonoana ,toy ny fakana trondro madinika ,ny tsy fikatonan’ny rano taty Alaotra tato ho ato .Na misy aza  ny fikatonana dia ara-taratasy izany fa tsy misy ny fampiharana ny lalàna.Eo ihany koa ny fiakaran’ny foza orana izay fahavalon’ny hazandrano,  satria ny mpanihika iray dia mahazo foza orana 3 siny isan’andro kanefa io no tena mihinana ireo trondro madinika .Hentitra ny talem-paritry ny jono vaovao fa tsy maintsy hampiharina ny lalàna amin’ny fikatonan’ny rano  ary hojerena ny fomba rehetra hamongorana ny foza orana.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser