Fa efa tena mafy loatra ve ny fiainana sa dia ahoana ? Moramora amin’ny olona tokoa amin’izao ny mamono mahafaty olona iray. Adina mpivady niafara tamin’ny fahafatesana no niseho tetsy Ampasika Itaosy ny talata alina lasa teo. Araka ny fantatra dia zandary iray no namoy ny ainy rehefa avy notsatohan’ny vadiny tamin’ny hety. Samy gaga sy variana avokoa ireo mponina teny an-toerana raha nifamonjena nentina haingana teny amin’ny hopitaly ny lehilahy iray, mpitandro filaminana miasa ao Betongolo, io alin’ny talata tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any io. Raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana dia nisiana fifamaliana teo amin’izy roa ireto tamin’io fotoana io. Tsy nahatana ny fony intsony ramatoa ka nandray zava-maranitra izay sendra ny tanany. Efa nitsatoka teny amin-drangahy, teo amin’ny tratrany nanindrify ny fony ny hety vao ankevitry ny tonga saina. Nitosaka ny rà. Nifamonjena nentina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana teny Anosy. Saingy indrinsy fa noho ny halalin’ny ratra sy ny rà very dia tsy tana intsony ny ain’ity manamboninahitra lefitra avy amin’ny zandary ity. Hatramin’ny omaly dia mbola najanona teny amin’ny hôpitaly ny razana. Nentina natao famotorana kosa ilay ramatoa vadiny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany.
Ny etsy andaniny mamono tovovavy tsy mety miaraka aminy avy eo mitifi-tena, ny ankilany mamono ny vadiny avy eo mamono tena ihany koa. Ity farany ity indray maty novonoim-badiny. Mpitandro ny filaminana avokoa ireo, ka lasa ihany sain’ny mpanara-baovao hoe misy raha tsy milamina ve ao ?
m.L