- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkerana : Enin-dahy nanafika mpivaro-damba, lasa ny vola 40 tapitrisa ariary

Ankerana : Enin-dahy nanafika mpivaro-damba, lasa ny vola 40 tapitrisa ariary

Fantatr’ireo jiolahy tsara ny bikan’ilay sakaosy nisy ny vola.

Omaly alarobia hariva tokony ho tany amin’ny 6 ora latsaka tany ho any, nisehoana fanafihan-jiolahy teny Ankerana. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa mpivaro-damba avy eny Andravoahangy hamonjy fodiana no nosakanana olona enina nitondra basy (fusil à pompe) iray sy poleta iray. Efa nandrasan’izy ireo teo amin’ny vavahadin’ny tranony ireo mpivarotra izay nandeha mini bus. Very tamin’izany ny vola 40 tapitrisa araiary. Raha vao nijanona dia voambana basy ary tsy nisy sahy nihetsika. Rehefa izany dia nangatahan’ireto mpanakan-dalana omena azy ny sakaosy iray. Araka ny filazan’ireo voatafika, maro ny karazana sakaosy tao anaty fiara. Natahotra ireo olona ary nadray sakaosy iray natolotra ireo jiolahy. Tsy nandray izany ry zalahy ary nilaza mazava ilay sakaosy tadiaviny. Raha izany, efa fantatr’ireo olon-dratsy mazava tsara ilay nisy ny vola maty teny an-tsena. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa tsy maintsy ho efa narahan-dry zalahy maso hatreny Andravoahangy ireto mpivarotra ireto. Tsy nijanona teo ny raharaha, hoy ny fitantaran’ny iray amin’ireto fianakaviana. Raha vao niseho ny fanafihana dia nisy iray nandeha nitsambikina. Nahare tsara izy io avy eo fa notadiavin’ireo  mpangalatra ary notononiny hatramin’ny anarany.

Raha vao nahare ny fisehoan-javatra ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 Analamahitsy dia tonga teny Ankerana nizaha ny zava nisy. Nilaza ireo voatafika fa tamin’ireo enina nandroba dia manao bikabikana mpitandro filaminana ny telo. Ireo ambiny kosa hitany fa olon-tsotra ihany. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’iao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser