- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsararano Maevatanana : Mpandraharaha iray no maty hita faty, nisy nifitra sy notetehina

Tsararano Maevatanana : Mpandraharaha iray no maty hita faty, nisy nifitra sy notetehina

Manakoako any amin’ilany avaratra sy andrefan’ny disitrikan’i Maevatanàna ny fahafatesan’ny mpandraharaha iray monina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Berivotra 5×5, ny asabotsy faha-06 janoary 2024 lasa teo, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina teo. Raha ny fampitam-baovao voaray dia, niala maraina vao mangiran-dratsy nitondra môtô, toy mahazatra handeha hanara-maso ny fambolena any Ambalalehibe, ao Tsararano, ilay mpandraharaha fantatry ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe Dina, no nisy nahita nitsirara teo amin’ny tany efa tsy nisy aina intsony, sady efa nihosin-drà, teo amin’ny toerana atao hoe Ambongabe. Nampandre ny mpitandro ny filaminan nalaky ireo olona nahatazana ny razana. Potika tanteraka rakotra diam-bala ny tarehan’ity lehilahy maty ity, ary misy silaka voatetiteka ihany koa ny lohany havia. Izay no nitaraka ny ra very be taminy. Tsy nentin’ireo nahavanon-doza moa ny môtô fa mbola teo akaikin’ny vata-mangatsian-dratopokolahy. Rehefa tonga ny zandary sy ny fokonolona dia nanao ny savao ny ala manodidna rehetra, saingy efa tsy nahatazana na inona na inona intsony. Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo sy ny fianakavian’ny maty. Marihina moa fa efa intelo nisy dahalo nanafika tao an-tampon-tanànan’i Berivotra 5×5 Dina, saingy tsy nisy tontosa izany noho ny ezaky ny zandary sy fahatongavany alohan’ny asa-ratsin’ireo malaso. Tsara ampahafantarina etoana fa zandrin’Atoa Solobe, ben’ny tanànan’i Berivotra 5×5, ilay lehilahy maty nisy namono. Eo indrindra ny fanontaniana manitikitika ny olona any an-toerana amin’izao fotoana amoahanay lahatsoratra izao, hoe misy resaka ambadika politika ve sa asan-dahalo, ary mety ankasoparana tiana hatao fotsiny ve izao famonoana feno habibiana natao amin-dRatopokolahy izao? Mitohy kosa ny fanarahan-dia ataon’ny mpitandro ny filamina ho an’ireo nahavanon-doza, ary efa miatrana marobe any amin’ny manodidina ny nisehoan’ny loza ihany koa ny zandary avy eto Maevatanàna manampy ireo namany any an-toerana.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici