- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : Tily eto Madagasikara

Vakinankaratra : Tily eto Madagasikara

Tao amin’ny efitrano I-Votika no nanaovana ny atrikasa

Hidina eny amin’ny fiaraha monina hanao fanentanana.Tsy afa misaraka amin’ny fiaraha monina ny fitaizaina skoto, isan’ny fanabeazana homena ireo mpisehatra izany. Sampana iray ao anatin’ny Skoto ny Tily samy manana ny fiantsoana azy arakarakara ny fiangonana misy azy moa izy ity.

Fitazaina feno ny skoto satria na ara batana,na ara tsaina indridra moa fa ara-panahy dia hamolavolana ireo tanora. Mpandray andraikitra ny Skoto manoloana ny zava misy eo amin’ny fiaraha monina  na eto amin’ny firenena mihitsy, tsikaritra izany fa saika ahitana azy ireo rehefa misy fanamarihana na zava-mitranga na ankafaliana izany na ankaratsiana.

Mahatsiaro manana andraikitra ny Tily eto Madagasikara manoloana ny zava-mitranga ankehitriny eny anivon’ny fiaraha monina eny, mateti-ptranga ny tsy fandriam-pahalemana, ny loza voajanahary, ny tsy fanjarian-tsakafo sns. Hidina eny ifotinyny Tily eto Madagasikara hanao fanentanana ny mpiara belona mba hamerenana ny filaminana.

Anatin’ny vanimpotoanan’ny rivo-doza rahateo izao ka hanentana ny olona hiomona mialoha amin’ny tokony ho tsara ho fantatra ny Tily.

Nisy ny atrikasa nialohavan’izao fidinana ifotony izao ka ny UNICEF no mpira miombonantoka nanatontosana izany, marihina fa efa andiany fahatelo ity tanteraha ity ary haharitra enim-bolana ny fidinana ifotony.

Andry N.    

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici