Nifampila vaniny sy nifampila ady, teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny iray, tao an-drenivohitr’i Diana tao ireto roa lahy ireto ary niteraka korontana teo amin’ny manodidina, omaly. Voatery niditra an-tsehatra ny polisy ary nisambotra azy ireo. Nahitàna antsy maranitra moa tany amin’ny iray tamin’ireto tovolahy ireto. « Toy ny mahazatra, tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitry ny pôlisim-pirenena miandraikitra iny faritra iny amin ‘ny fanaraha – maso ny tanana. Anisan’ny mandray anjara mivantana amin‘izany ireo Polisin ‘ny FIP. Nandritra ny fandalovana sy ny fanatanterahan ‘izy ireo ny asa fisafoana teo akaikin ‘ny trano fandraisam -bahiny iray tany an- toerana no nahatsikaritra fihetsik‘olona roa hafahafa izay nitabataba tao anatiny » araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Nosamborina avy hatrany ireto farany ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy avy hatrany moa ireto roa lahy ireto.
m.L