- Publicité SW45 -
lundi, décembre 30, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAntsirabe - Santé Plus : Olona manana fahasembanana manodidina ny 90 hodidina maimaim-poana

Antsirabe – Santé Plus : Olona manana fahasembanana manodidina ny 90 hodidina maimaim-poana

maimaim-poana fandraisana an-tanana ireo hodidiana

Ny « Enfants de Noma », « Ensemble pour eux » sy ny « santé plus » , ireo no toko telo mahamasanandro ahafahana manatanterana fandidiana tongotra sy tanana misy fahasamponana hatao ao amin’ny Santé plus. Maimaim-poana ny fandidiana noho ny fiaraha miasa amin’iretsy voalaza eo ambony iretsy. Misy ny dokotera mpandidy vahiny sy ireo mpitsabo mpanampy vahiny maheriny, folo izy ireo no miasa eto.   

Ity no fandidiana voalohany hataon’ny Santé plus ho an’ity taona ity saingy misy foana ny fandidiana ireo vaky lanilany sy valy molotra na sima satria efa misy ny mpandidy Malagasy mandray izany antanana sy ireo ekipa manao izany.

Monodidina ny 80 na 90 eo ho eo ireo zaza hodidina, ireo zaza no tena iantefan’ity hetsika ity satria mba hahafanany mivelatra amin’ny fiainana sy misokatra amin’ny fiaraha monina ny fanana vatana tomombona hoy Benjaminina Rakotoson dokotera mpandidy ao amin’ny Santé plus.

Ankoatra ireo dia mbola misy zaza maherin’ny 40 avy ao Sambava no hiatrika fandidiana aorian’ny fitsirihina atao azy ireo.

Eto Antsirabe no hatao ny fandidiana sy fandraisana an-tanana ireo olona hotsaboina ary mijaona eto izy ireo mandritra ny roa na telo andro arakaraka ny fivoaran’ny fahasalamany. Mbola raisin’ny Santé plus an-tanana koa ny fanaraha maso azy ireo toy ny fampianarana mandeha, ny fanalana vy anaty taolana izay maimaim-poana avokoa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici