Nifandona mafy ny kamiao lehibe iray sy ny taxi-brousse iray. Teo amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK66+300 no nitranga izany lozam-pifamoivoizana izany omaly tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro. Ilay fiara fitateram-bahoaka dia mitondra ny marika Sprinter ary avy any Moramanga ka hiakatra aty an-drenivohitra no io niharan-doza io. Voa mafy ny mpandeha tao anatiny satria mbola nivadika ilay fiara vao tafajanona taorian’ny fifandonana. Nosokirina vao tafavoaka ny olona izay saika naratra avokoa. Ny valo tamin’ireo mpandeha no tena voa mafy ary nampiakarina haingana tao amin’ny hopitalin’i Manjakandriana mba ho fanavotana ny ainy. Taorian’izay dia nisy iray tamin’ireo no tsy maintsy nentina haingana aty an-drenivohitra satria mila fandidiana maika. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny zandary mba hamantarana izay tena antony nampifandona ireo fiara roa.
D.R