- Publicité SW45 -
mardi, octobre 8, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLamasinina : Nivadika sy namono olona indray ny FCE

Lamasinina : Nivadika sy namono olona indray ny FCE

Nitera-doza tanteraka ary nitarika fahafatesan’olona ny fialàn’ny lamasinina mitondra ny laharana BB1502 amin’ny zotran-dalam-by tamin’ny lalany. Omaly tamin’ny 11 ora atoandro no niseho ny loza teo amin’ny PK110, eo amin’ny tanàna mifanandrify an’I Sahasinaka raha mizotra ho any Manakara. Olona teo no namoy ny ainy, nisy ny voatsindry tao ambanin’ny lamasinina. Isan’izany ny mpiasan’ny lalamby sy zandary iray. Nisy koa ny naratra mafy izay mitotaly enina ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana akaiky indrindra mba ho fanavotana ny ain’izy ireo. Nijanona teo Fenomby ilay lamasinina izay efa nanana olana tamin’ny isatra. Izany anefa dia ao anaty fiakaram-be. Nihemotra ilay lamasinina, niala tamin’ny lalany ary nivadika, raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Raha tsiahivina dia avy tany Espana no nafarana ity lohany izay mampitohy an’i Fianarantsoa amin’i Manakara ity ary tamin’ny volana mey 2021 no notokanana tamin’ny fomba makotrokotroka, mihoatra lavitra noho ny fitokanana ny zotra FCE voalohany tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, ny taona 1936. Tamin’ny taon-dasa kosa no tena nanomboka nitatitra amin’izay. Tamin’ny septambra 2023 no lozam-pifamoivoizana nataony ary nisy ankizilahy maty (nisarozy tamin’ny lamasinina). Dia izao indray dia efa nandatsa-drà ny FCE. Marobe ny fanehoan-kevitra mahakasika ity lamasinina mivadika lava ity, indrindra koa mamono olona. Nisy ny nahita fa sao dia mba tsy mety amin’ny lalam-by izay misy eto amintsika ary ity karazana ity. Ao koa no nanambara fa efa hita mialoha ny tsy fahatomombanan’ny isatra kanefa dia mbola nentina ihany ilay lamasinina. Mbola nisy koa ireo izay nanao fikarohana kely no naneho hevitra fa lamasinina niasa tamin’ny fitrandrahana tany Espana tany ary efa reraka io tonga eto amintsika io. Efa nitarika adihevitra be tany amin’io firenena io ny fampiasàna azy raha araka ny loharanom-baovao, kanefa moa dia io tonga soa ary mitondra VIP aza saingy nitera-doza matetika teto amintsika io. Mazava hoazy fa tsy maintsy hizotra mankany amin’ny tompon’andraikitry ny FCE ny fanadihadiana sy ny andraikitra mahakasika an’ity loza an-dalamby ity indray. Na izany aza, mipetraka ihany ny fanontaniana hoe ampy ve ny fikojakojàna ny fitaovana ary ara-potoana ve? Raha natao hitateran’olona mantsy ity lamasinina ity no tena antony nividianana azy, eto kosa dia sady mitatitra entana no mitatitra olona izany. Lasa loza mitatao ho an’ny mpampiasa azy.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici