- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFonjan’ny Tsiafahy : Mitandahatra ny mpanolana midoboka

Fonjan’ny Tsiafahy : Mitandahatra ny mpanolana midoboka

Tsy misangy ny fepetra raisina mahakasika ireo mpanolana voasambotra. Vao nandeha haino aman-jery ny kabarin’ny mpitondra tamin’ny faran’ny taona lasa teo dia avy hatrany dia samy nanenjana avokoa ny manam-pahefana mifanandrify amin’izay tokony hiantefany. Eny amin’ny mpanao lalàna koa (Antenimierampirenena) dia efa mikaon-doha mahakasika ny hanamafisana ny lalàna alohan’ny hifidianan’izy ireo an’izany tsy ho ela. Na mbola tsy mihatra aza ny lalàna mandram-piraiketan’izany ao anaty lalàna famaizana, efa tsy misy misangy intsony ny antanan-tohatra handalovan’ny mpanolana. Ny farafahakeliny amin’izany dia ny fitànana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izay voasambotra. Ary dia saika isan’andro no misy olona haterina eny an-toerana noho ny herisetra ara-nofo. Ireo dia miandry fotsiny ny lalàna vaovao izay hihatra ary dia hizotra any amin’ny fandemena tanteraka ny fitaovam-pananahana (castration chimique) ny sazy, ankoatra ny famonjàna. Tsy ho vita mora intsony ity heloka ity satria na ny fonja hitazomana aza dia ny fonja fitazomana ireo mpamono olona sy ny mpanao heloka bevava isan-karazany. Ny mahatalanjona dia ny hoe mbola tsy tafita ve ny hafatra hoe miankina aman’aina ankehitriny ny sazy? Toa mbola betsaka ihany mantsy no sahy manolana, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ny tsara angamba dia ny fanapariahana mafy ilay lalàna raha vao lany eo, amin’izay fay dieny vao manomboka ireo mikasa ny hanao ratsy. Torak’izany koa ireo ray aman-dreny manafinafina izay azo raisina ho mpiray tsikombakomba. Eo foana koa mantsy matetika no tsy maha-lasa lavitra ny raharaha. Na voavidy vola ny ray aman-dreny na matahotra henatra. Dia lasa ny zaza no mizaka ny fahavoazana rehetra. Etsy ankilan’izany, mahazo vahana ny mpanao ratsy satria mahatsapa fa azo alamina ihany izany ny raharaha. Dia mety mbola hitohy amin’ny zaza hafa indray. Tranga mpiseho matetika avokoa izany ary isan’ny tokony hodinihina amin’izao fotoana hikaonan’ny solombavam-bahoaka loha izao ao Tsimbazaza.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici