- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireOrinasa « Orange » Toamasina : Nanolotra finday 20 ho an’ny polisim-pirenena

Orinasa « Orange » Toamasina : Nanolotra finday 20 ho an’ny polisim-pirenena

Fanomezana avy amin’ny Orange

Tena matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa “Orange” sy ny polisim-pirenena eto Toamasina, ka nanaporofo izany ny fanoloran’ny oranasa “Orange” finday miisa 20 ho azy ireo ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavana ihany koa dia netsehina avokoa ireo “vigie” na toerana manokana eny an-tsisin-dalana natokana ho an’ny polisy ireny amin’izao hatramin’ny nanamboarana azy, ka miisa 14 izy ireo eto Toamasina renivohitra izay natao toeram-piasan’ny polisy mba tena hanakaiky ny vahoaka ny filaminana.

Ho homena ireo polisin’ny “vigie” ireny ity finday natolotry ny “Orange” ity mba entina hiadiana amin’izany tsy filaminana izany sy hanatsarana ny tsy fahandriamapahalemana. Ny finday 14 izany hatolotra ireo polisy miasa eny amin’ny “vigie”, fa ny ambiny ho an’ireo kaomisaria sy ny talem-paritra. Nisaotra izao fanolorana izao, izay nandray izany koa, ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana ny kaomisera Rakotovao Jean Christian. Nambarany nandritra izany fa fomba fiasa nahazoana vokatra tsara hatramin’izay ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra afaka manampy ny polisim-pirenena. Ny tanjona mantsy ho an’ny talem-paritriny filaminam-bahoaka Atsinanana dia ny hametraka filaminana maharitra sy ahazoana vokatra tsara hatrany amin’izany ady amin’ny tsy filaminana izany. Ankoatra izany dia tsy nahitana trangana asan-jiolahy mahery vaika loatra teto Toamasina, raha isan-taona indrindra ny faran’ny taona i Toamasina. Roa taona teo izany dia tsy nisy loatra izany noho ny ezaky ny fitandroana ny filaminana ataon’ny polisim-pirenena. Ny taona nivalona iny dia nahatratra 265 ny olona voasambotry ny polisim-pirenena, ka olona miisa 180 no olona nahiditra vonjy maika, raha 85 kosa ireo olona nahazo fahafahana vonjy maika.

Raha ny fanazavana nomen’ny polisim-pirenena dia mpangalatra mpamaky trano sy mpiray tendro aminy ary mpanao fikambanan-jiolahy ireo voasambotra ireo hoy ny polisim-pirenena. Mbola hitohy ny ezaka hatao momba izany amin’ity taona ity…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici