Isan’ny aretina tena mpahazo ny Malagasy ny aretin’ny aty vava sy ny areti-nify saingy ataon’ny olona ambanin-javatra ny fitsaboana azy nefa azo sorohana tsara. Mpitsabo iray avy any Inde hiara hiasa amin’ny Santé Plus no nisafidy ny tanan’Antsirabe hitondrany ny fahaiza manaony amin’ny alalan’ny fitsaboana sy hizara ny traikefany amin’ny maha mpitsabo matianina azy. Manampahaizana manokana amin’ny fitsaboana ny ativava sy ny nify I Dr Dayananda Jetty teranatany Indianina, mpampianatra amin’ny oniversité maro ao Afrika izy. Tsy hionona amin’ny fitsaboana noho izany ny fiarahany miasa amin’ny Santé Plus fa hampiofana mpitsabo ihany koa.
Hiompana amin’ny fitsaboana ny ativava sy ny nify ny fitsaboana amin’ity andiany voalohany ity, maimaim-poana ny fitiliana fa misy fandraisana anjara maivana kosa ny fitsaboana sy fanalana nify. Haharitra roa na telo volana eo ny fitsaboana, raha mbola azo tsaboina ny nify dia tsaboina raha tsy izay dia hongotana avy hatrany. Arahi-maso akaiky ny fahasalaman’ireo marary nify na ativava aroian’ ny fitsaboana azy sy mandavan-taona mihitsy.
Ankoatra izay, misy ihany koa ny fitsaboana ireo manana nify mikoron tana, na sosona, indrindra ho an’ireo banga ka mila hanamborana solo-finy manokana.
Saro-pady ary mila fitsabona sy fikarakarana ny aty vava sy nify satria io no lalana idiran’ny sakafo ka manentana ny rehetra ho tonga hizaha ny fahasalaman’ny ativava sy nify hoy i Dr Rakotoson Benjaminina dokotera mpandidy ao amin’ny Santé plus.
Fantatra fa hiverimberimberina matetika eto Madasikara ity mpitsabo teratany Indianina ity aorian’izao fandalovany eto izao, tsy hionona amin’ny fitsaboana ativava sy nify ihany fa hitsabo aretina hafa ihany koa.
Andry N.