- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAmbaibohokely-Tsaratanàna : Niampy Zazavavy iray indray, lasan'ny dahalo an-keriny

Ambaibohokely-Tsaratanàna : Niampy Zazavavy iray indray, lasan’ny dahalo an-keriny

Efa tsy misy tany iaianana intsony ny mponina any amin’ilany atsimo distraikan’ i Tsaratanàna manoloana ny trangana fakana an-keriny misesy, ataon’ireo jiolahy tsy mikoso-maso amin’ny asa ratsy ataony. Raha ny angom-baovao voarainay any an-toerana hatrany, dia ny Alakamisy faha valo ny volana Febroary teo, tokony ho tamin’ny 07 ora hariva katroka no nisy andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika tao amin’ny tanànan’ Ambaibohokely, kaominina ambanivohitra Ambakireny no nidiran’ireo olon-dratsy tsy  ny tranon’ny fiholam-pokontany ao amin’ny tanàna voalaza etsy aloha. Rehefa tsy tazan’ireo malaso tao ny olobe, dia nalain’ireto farany an-keriny ny zanakin’ilay sefom-pokontany, Zazavavy kely antsoina hoe: Manou, sady nanapoaka basy mialoha sy taorian’ny fakana an-keriny ny jiolahy nentina nandemena ny iray tanàna, mba tsy hivoaka sy hanohitra. Efa ho 15 minitra aty aoariana vao samy nifamory, ary niantso ireo Ray aman-drenin’ilay Zazavavy lasa an-keriny ny fokonolona sady nampandre ny mpitandro ny filaminana nalaky, hanohy ny fanarahan-dia. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa ireo jiolahy nanao fakana an-keriny vehivavy miisa roa tao Ambolosy tamin’ny Alahady alina faha 4 Febroary lasa teo, tokony ho 10 ora mahery 40 minitra, ireo namita ny asa ratsy tao Ambaibohokely. Marihana fa mbola eny am-pelatanan’ny malaso ilay ankizy mpianatra ao Ambohidronono vao 17 monja sy ny Rtoa iray manana vady aman-janaka avy ao Ambolosy, ka izao niampy an’i Manou kely izao indray ireo olona lasan’ny jiolahy an-keriny tany amin’iny kaominina Ambakireny iny. Raha ny feo niely avy amin’ny fianakavian’ireo telo vavy lasan’ny jiolahy an-keriny, dia mitaky ho sandam-bola famotsorana enimpolo tapitrisa Ariary na 60 Million Ariary, ireo olon-dratsy amin’izao fotoana amoanay ny lahatsoratra izao. Mitohy hatrany ny fanohizana ny fikarohana ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy amin’izao trangana fakana an-keriny izao.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici