- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversBizna zava-mahadomelina : « Epicerie » mivarotra rongony

Bizna zava-mahadomelina : « Epicerie » mivarotra rongony

Marina tokoa fa hoe ahitana ny zavatra rehetra ilaina andavanandro ireny « epicerie » ireny, saingy ny an’ity lehilahy ity kosa efa mihoatra ny fefy ! Ankoatr ireo entam-barotra maro isan-karazany mahazatra mantsy dia mbola nampiany fivarotana rongony maina ny azy, ary io no tena ifantohany betsaka, hoy ny fampitam-baovao. Tranga niseho tao amin’ny fokontany iray tao Ambilobe tao. Ny zoma lasa teo no nanao bemidina tao amin’ny fokontany Laidama ny zandary tao an-toerana, rehefa nahazo angom-baovao ny amin’ny fisian’ny « épicerie » rongony tao an-toerana. Vao nahare ny vaovao ireo zandary dia nanao ny vela-pandrika rehetra, hisamborana ny tompon’izany tranombarotra izany ambodiomby.Ny hariva, amin’ny fotoana nahabe olona iny mihitsy no nitsofoka tao amin’ilay fivarotana ireo mpitandro filaminana ary tsy afa-niala intsony ny lehilahy. « Varotra rongony no tena ataon’ity farany, saingymody mialokaloka ao amin’ny fanaovana « épicérie » izy », hoy ny fampitam-baovao azo hatrany. Marihaina fa tamin’ny fotoana nisamborana ity farany dia voalaza fa mbola nahitana rongony maina am-polony kilao tao an-tsenany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary mba hatao famotorana moa ity lehilahy ity taorian’ny nisamborana azy. Tsy any ihany fa na eto an-drenivohitra aza dia maro tokoa ireo olona no mialokaloka ao ambadiky ny fitadiavana ara-dalàna iray, entina manafina ny bizina rongony ataony. Samy nahatadidy ny rehetra amin’ny fisian’ireo vehivavy mody mivarotra hani-masaka kanefa sady mivarotra rongony ihany, ary voasambotry ny mpitandro filaminana. Tsapa ihany koa tao ho ao izay fa tsy mihanona fotsiny amin’ny fivarotana izany zava-mahadomelina voarara izany ny sasantsany amin’ireo olona fa miroso amin’ny fambolena mihitsy. Ny farany teo, fototra maromaro no tra-tehaky ny zandary tao amin’ny tokantrano iray teny amin’iny faritra Itaosy iny. Lehilahy iray 52 taona no voatery nosamborina sy notanana natao andrimaso.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici