Hataraina ny an’ny mponina manodidina rehefa naheno sy nahita ny zava-nitranga tao amin’ny tanànan’i Mandanikapa, fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany, ny aliny alahady faha 11 febroary lasa teo, tokony tamin’ny 11 ora mahery 30 minitra tany ho any. Raha ny fampitam-bavaova voarainay teo anivon’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna dia lehilahy iray antsoina hoe Bagzana no nitsofoka nangataka » briquet » tamin’ny anabaviny iray tampo aminy nandritra ny ora voalaza etsy ambony, efa somary mamomamo nahazo toako ny tenany tamin’izay. Namaly nilaza ho tsy manana ilay ramatoa nitaiza kely, ka tonga dia romotra sy nandrava ny varavarana sy ny entana tao an-trano i Bagzana. Rehefa nahatsikaritra ny zava-niseho ny topom-bady sy ny rainy niteraka azy dia nifampitolomana ny lehilahy. Nasian’ny papany totohondry ny tarehany, ary nanao ny fomba rehetra nahafahana izy, ka tafatsoaka nalaky. Nitsipona vato hamaliana ireo olona roa voalaza etsy aloha nifanome tanana nanampy an’ilay vehivavy izy. Rehefa tafarina sy votsotra i Bagzana, dia nitoraka vato indray mandeha. Indrisy anefa fa ilay zazalahikely vao sivy volana notrotron’ny reniny teo an-tanany no voatoraka. Izay vao samy nifamory ny olona manodidina, nitondra an’ilay ankizy teny amin’ny hopitalibe Morafenokely, niantso ireo polisy manao ny sakana fiara eo akaiky, hanao ny fisamborana ny nahavanon-doza, saingy efa tafaporitsaka. Noezahina sy nialan’ireo mpitsabo nenina ilay zazalahikely voatora-bato teo amin’ny lohany aoriana, saingy nitondra azy tany amin’ny fahafatesana izany, tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, ny alatsinainy teo. Tsy niandry ela ny polisy teto an-toerana fa nanao ny fikarohana era’an-tampon-tanàna’i Maevatanàna. Nivoaka moramora, rehefa naheno ny fikarohana azy, i Bagzana, ka nitolo-batana teny amin’ny biraon’ny kaomisaria. Raha ny vaovao voaray tamin’Atoa kamisera hatrany dia ny alarobia faha 14 febroary no hatolotra ny tonia mpapanoa lalàna. Noho ny fiandrasana taratasy avy amin’ny mpitsabo no aton’izany.
Ratantely