Divi-janahary no tsy nampivadika ilay fiara tsy mataho-dalana iray. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Antsofinondry, ny asabotsy teo. Fiara tsy mataho-dalàna iray, ana relijiozy no nivarina tany an-tanimbary, rehefa avy nodomina taxibe iray, miasa eny amin’ny faritra iny. Tsy nisy naninona kosa ireo relijiozy roa tao anatiny, raha ny fantatra hatrany. Raha ny voalazan’ireo olona nanatri-maso ity loza ity, dia samy nizotra hianavatra ireo fiara roa ireo, tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo. Nisongona an’ity fiara tsy mataho-dalana ity ilay taxibe nirimorimo tamin’iny vahalava iny. Teo am-pisongonana anefa no nisy fiara hafa nanatona, ka niala izany ilay taxibe ary avy hatrany dia nifatratra tany amin’io fiara tsy mataho-dalana io. Nipitika niala ny làlana araka izany ity farany, tsy nahatana ny familiana intsony ka nifatratra tany an-tanimbary. Kely foana sisa no tsy nampivadibadika azy, raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana hatrany. Tsy nijanona kosa anefa ilay taxibe nandona, fa vao mainka nanamafy ny hafainganam-pandehany nandositra, raha ny voalaza hatrany. Soa ihany fa tsy nisy naninona ireo olona tao anatin’ilay fiara voadona. Fa ankoatr’izay dia mbola nisehoana lozam-pifamoivoizana koa teny Mandrosoa Ivato, tsy lavitra toeram-pivarotana fiara iray, omaly maraina. Fiara iray no nifandona tamina môtô. Naratra ilay mpitondra môtô, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
m.L