- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Vadina pasitera maty nisy namono tao an-tranony

Itaosy : Vadina pasitera maty nisy namono tao an-tranony

Vatana feno ratra ary efa tsy nisy aina intsony no hitan’ilay iraka. Omaly alahady, nisy vono olona nahatsiravina niseho teny Ambanilalana Itaosy. Vehivavy vadina pasitera iray eny an-toerana no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony. Eo amin’ny 40 taona eo ity olona ity. Feno diana antsy ny vatany iray manontolo, sivy hoy ny vaovao. Voa teny amin’ny tendany, ny handriny, ny kibony sy ny faritra hafa. Ankoatra izany, tsy nisy nify intsony koa ilay olona. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ankevitry ny nokapohan’ireo namono azy tamin’ny hazo izy ary dia nilatsaka avokoa ny nifiny. Izany rehetra izany no nitarika ny fahafatesany.

Tokony ho tany amin’ny 8 ora tany no niseho ity habibiana ity. Isaky ny alahady, hoy hatrany ny vaovao, mandeha aloha any am-piangonana ilay mpitandrina. Manaraka avy eo ny vadiny miaraka amin’ny mpanampy azy. Rehefa tsy tonga anefa Ramatoa, naniraka olona ilay pasitera hijery azy tany an-tranony. Ny zavatra nanaitra ilay iraka voalohany dia ny nahita ny varavaran’ny trano nisokatra. Niditra hatrany izy ary akory ny hatairany rehefa avy nijery eran’ny trano. Tany amin’ny trano fidiovana no nahitany ilay vehivavy efa nihosin-drà sy feno ratra. Ilay mpanampy tamin’io fotoana io efa tsy tao an-trano intsony. Nampilazana ny mpitandro filaminana eny an-toerana; izay tonga nizaha ny zava nisy. Hatramin’izao, tsy fantatra marina ny antony namonoana ity olona ity. Ny vaovoa hatrany no nahalalana fa toa nisy vola very tao an-trano.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser