- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilEconomieAmbatofotsy - Maevatanàna : Adala matanjaka mampihoroho vahoaka, nifampitolomana sy nafatotra tady

Ambatofotsy – Maevatanàna : Adala matanjaka mampihoroho vahoaka, nifampitolomana sy nafatotra tady

Nosamborin’ny polisy monosipaly sy ny fokonolona ilay lehilahy lasa adala mantanjaka mampihoroho ny vahoaka ao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia mahery fihetsika, sady mitora-bato sy mamotika izay entana na fananan’olona hitany eraky tanàna izy. Joro no anarana amantaran’olona an’ilay lehilahy lasa adala vao tsy ela akory izay. Te hiady sy mitoraka fiara na bajajy, ary mitabataba eny amin’ny manodidina, sady mihazakazaka mafy be, ka matahotra voakatr’izany ny olona. Nisy nitaraina. Rehefa nahazo ny antso sy ny fitarainana ny polisy monosipaly avy ao amin’ny kaominina ambonivohitra eto an-tampon-tanànan’i Maevatanàna, dia nandray ny andraikiny sy nitaona ireo olona eny anivon’ny fiaraha-monina, hamatotra tady azy, ny talata maraina teo, mba tsy hahafahana mihetsika ao an-tokantranony, mandra-pitsaboan’ireo havany azy. Ny fampitam-bavaova moa no nahalalana fa indroa amin’izao i Joro no nihetsika adala, raha sitrana tsy naninona izy taorian’ny nahalasa adala voalohany tamin’izany, ka izao niverina adala tamin’ny fiandohan’ny herinandro ity izao indray. Mapametra-panotaniana ny mponina eny an-toerana ny hoe: noho ny fidorahana zava-mahadomelina ve no nahalasa adala azy, sa mety ho antony hafa ? Io no teny tsy afaka am-bavan’ny be sy ny maro ao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, raha naneho ny fomba fijereny ny zava-nitranga.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici