Nandeha ara-dalàna ny fivoriana izay niompana tamin’ny fanomanana ny hetsika mandritry ny andro iraisam-pirenena ho fankalazàna ny zon’ny vehivavy (8 martsa). Tonga ny fikambanan’ny zokiolona, ny fikambanan’ny vehivavy ary koa ny solo tenan’ny fanjakana. Teo indrindra no niseho ny zavatra hafahafa. Tonga avy any ny fiara tsy mataho-dàlana izay tao anatiny ny senatera iray sy ny zandary mpiambina manokana azy. Teo imason’ny olon-drehetra no nobataina toa ireny olon-dratsy ireny ny ramatoa iray izay mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny minisitera iray. Variana ny zokiolona, tsy nahaloa-bava ny fikambanam-behivavy ary torak’izany koa ny solon-tenan’ny fiangonana izay nanotrona ny fivoriana. Nobataina ary nampidirina tao anatin’ilay fiara. Norahonana sy notenenana ratsy ilay taranak’I Eva. Inona no mety ho antony ? Satria nahian’ilay manam-pahefana fa nisy ambadika politika ny fivoriana rehefa nazoto nanohana izany ny lehilahy iray izay mety ho kandidà ho depiote ao amin’iny distrika iny. Tonga teo an-toerana rahateo io farany ary nisafidy ny niala tao anaty efitrano mba tsy hisian’ny loko politika sy mba hitohizan’ny fivoriana. Nisy nahazo sary sy video avokoa izany rehetra izany ary mazava ho azy fa notànana an-tsoratra tao anatin’ny fivoriana ny tranga. Nahoraka eraky ny distrika ity zava-nisy tao Fandriana ity sy ny toetran’ilay loholona izay tena miendrika jiolahim-boto tanteraka. Tsy vao voalohany no nanao fihetsika hafahafa tahaka izao izy. Raha tsiahivina efa nisy tranga nahoraka nataony tamin’ny mpamily teto an-drenivohitra izay niteraka resabe tao amin’ny tambanjotran-tserasera. Saingy mba inona moa ny fepetra noraisina momba azy ? Ny zava-misy ohatra izany sy ny fisian’ny tsimatimanota no matetika mampihena ny fahatokisan’ny olon-tsotra ny fanjakana. Milaza ny hanaparitaka ny video ny olona voakasika raha tsy misy ny fepetra ho raisina.
D.R