- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Zaza 2 taona latsaka tao anaty vilany nahandroam-bary

Ambohimanarina : Zaza 2 taona latsaka tao anaty vilany nahandroam-bary

May tanteraka ny zazakely iray vao 2 taona monja, nianjera tao anaty vilany nandrahoam-bary. Amin’izao fotoana izao, mbola tsaboina any amin’ny hopitaly. Teny amin’ny faritra Ambohimanarina no niseho izany ny zoma hariva teo. Voalazan’ny vaovao fa teo ambony fandriana izay somary avoavo ihany no natory ity zaza ity. Tsy lavitra teo no nisy ilay vilany nisy vary mahamay. Nihetsika hivadika angamba ilay zaza, ka tamin’izany no nampianjera azy tany anaty vilany. Nikoropaka ny rehetra nahita izany ary novonjena haingana ilay zazakely.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser