Tovolahy kely iray vao 13 taona monja no fantatra fa maty an-drano teny Androndrakely tamin’ny sabotsy lasa teo. Ny vaovao no nahalalana fa nandeha nilomano teny amin’ireny rano mihandrona ireny izy io. Na ny marina kokoa, tao anaty lavaka avy nanaovana biriky. Tsy fantatra na lalina be ny rano na ahoana ,fa rehefa nilentika tany izy dia tsy nipoitra intsony ary ny vatana mangatsiakany sisa nalaina. Ankoatra izany, teny Ankaditoha, tovolahy kely koa no maty an-drano. Tsy niverina nody tany an-trano ilay zazalahy. Nitady azy ny fianakaviana ary taitra nahare fa maty izy. Mbola tamin’ny faran’ny herinandro, olona iray hafa koa no maty tanaty rano tany Analavory. Voalaza fa nandeha nilomano ity olona ity ary tsy nipoitra intsony Ny ampitson’ny naharendrika azy vao hita ny razana.
nangonin’i r.s.