Tsy nisy namantarana azy intsony satria efa potika tanteraka. Nizara roa aza ilay razana ary niparitaka erak’ilay toerana. Omaly maraina no nisy nahita izany. Ny olona mpandalo eo an-toerana no nahatsikaritra fofona ratsy. Rehefa nohatonina dia taolan-doha sy ampahana nofon’olona efa simba no hita teo sy nitangoronan’ny lalitra. Ny akanjo izay mbola rovidrovitra sy niparitaka teo amin’ny manodidina dia vao mainka nanamarina fa vatan’olona ilay hita. Raha araka ny mpitandro ny filaminana nanao fanamarinana teny an-toerana dia olona maty ary nalevina teo an-toerana izy io. Noloaran’ny alika anefa ary noroviroviziny sy nohaniny teo an-toerana ihany. Teo amin’ny toeram-panaovana baolina no nahitàna izany, toerana izay misy olona lava sy betsaka mpanao fanatanjahan-tena. Mampanontany tena arak izany hoe fotoana toy ny ahoana izany no nandevenana olona teo, ankoatra ny hoe amin’ny alim-be. Noraisin’ny polisy misahana ny heloka bevava ny fanadihadiana momba ity fahitana razana ity rehefa avy nanao fitsirihana ny dokotera mpizaha faty. Nisy namono ve dia nalevina teo Ambohimiandra? Sa kosa zavatra hafa, toa ny hoe tsy te-hisahirana ny olona dia nalevilevina fahatany teny fotsiny rehefa maty? Mbola betsaka ny fanontaniana hiandrasam-baliny momba ity zava-nitranga ity. Etsy andanin’izany, toa vao mainka nampikorontana ny sain’ny olona ity tranga ity satria maro no niezaka nampifandray izany tamin’ny tsaho miely momba ny fisian’ny biby hafahafa mandeha amin’ny alina eto an-drenivohitra. Tranga izay niteraka resa-be tetsy Alasora sy ny manodidina azy rehefa nahitàna dian-tongotra biby hafahafa. Hatreto dia tsy mbola nisy fanazavana ofisialy mahakasika an’izany ary dia lasa manjaka ny tombatombana sy ny honohono.
D.R