Vao maraina dia efa nitrangan-doza indray ny lalam-pirenena. Fiara iray izay nitondra fianakaviana handevina ary nitondra razana no vaky kodiarana ary nivoaka ny làlana ka nivadika. Maro ny naratra mafy vokatr’izany. Omaly dia fantatra fa olona fito no nentina teny amin’ny hopitaly ary isan’izany ny vadin’ny maty. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany teo no niseho ity lozam-pifamoivoizana ity teo amin’ny toerana antsoina hoe Vohitsindry, tanàna iray ao amin’ny distrikan’i Vohipeno. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny faharatrana sy ny alahelo izay nitambesatra no betsaka. Isan’ny olana hatrany izay mitarika loza ny tsy fahatomombanan’ny kodiarana, indrindra ho an’ny fiara mpitatitra. Matetika dia miandry ho vaky mihitsy izay vao soloina. Betsaka arak’izany ny fiara izay efa sola tanteraka ny kodiarana kanefa dia mbola afaka mifamoivoy eny amin’ny lalam-pirenena. Tsiahivina fa mbola azon’ny mpitandro ny filaminana hatao tsara ny mandrara ny fiara izay hianjadian’ny tranga toa izany, mba ho fiarovana ny ain’ny mpandeha. Tsy hoe akory misy taratasy avy amin’ny fitsirihana ara-teknika izay manome alàlana dia tsy azo hatao na inona na inona intsony. Efa ho fotoanan’ny zaikabe an’ny fiangonana samihafa indray mantsy atsy ho atsy ary dia mila fandraisana andraikitra isan-tsokajiny matotra mba ho fisorohana ny loza samihafa, indrindra ny lozam-pifamoivoizana.
D.R