- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTatsy sy taroa

Tatsy sy taroa

# Nosy-Be. Namono tena fa tsy navela hifoka sigara. Tovovavy iray mbola tsy ampy taona akory (17 taona) no tsy nahazaka ny fananaran-dreniny. Izany dia mahakasika ny fandraràna azy tsy hifoka sigara. Nalahelo mafy ary naka fanafody maro ary nandrapaka izany. Soa ihany anefa fa mba nisy nahita izy efa nitsirepirepy ary nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Mba avotra soa aman-tsara ihany ny ainy.

# Tanà. Ankoatra ny lavaka efa mahazatra, mbola misy manala indray koa ireny sarona fantsona fiandronan’ny rano izay hampiasain’ny mpamonjy voina ireny rehefa misy loza. Toa ny etsy Soarano izay niala ny boribory be manasarona izany ary mety ho omby olona na moto mihitsy aza raha sendra latsaka ao. Tsy hita anefa izany rehefa avy be ny orana. Ny mpangalatra vy indray ve no tompon’antoka sa kosa mba hampitsika haingana ny rano dia nisy nanala izany? Loza mitatao tanteraka anefa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici