Nampirehitra afo tao an-trano ary namonjy ny toeram-piasany nony avy eo. Mpitrandraka volamena izy ary nanao sakafo nialohan’ny niala ao an-trano. Saingy tsy vita hatramin’ny farany izany dia efa lasa izy. Nitranga ny loza rehefa niteraka firehetana ny afo ary namonjy ny trano manodidina. Nirehitra avokoa ny tranon’olon-tsotra. Tao amin’ny tokantrano iray dia nisy zazavavy vao roa taona izay napetraky ny ray aman-dreniny irery tao an-trano rehefa natory. Tsy tafavoaka tao ilay zaza ary dia kilan’ny afo ka namoy ny ainy. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampasambazimba, ao amin’ny distrikan’I Maevatanàna, izay akaiky ny toeram-pitrandrahana volamena no nisehoan’izany loza izany. Nokarohina ny nahavanon-doza ary mba ho fiarovana ny ainy amin’ny fitsaram-bahoaka dia nentin’ny zandary moramora tany amin’ny toeran-kafa ny fanokafana fanadihadiana azy. Ilay zaza maty kosa natolotra ny ray aman-dreniny rehefa vita ny fitsirihan’ny mpitsabo ny razana. Betsaka ny hadisoana kely izy mitera-doza ny hamoizana aina raha zohina ity tranga ity. Ao anatin’izany ny famelàna afo mipetra-potsiny ao an-trano. Torak’izany koa ny fametrahan zazakely irery.
D.R