Mbola mitohy amin’izao fotona izao ny fikarohana ilay mpanampy an’ilay vadina pasitera, hita faty tao an-tranony ny alahady lasa teo, araka ny fanazavana nomen’ny mpanao famotorana. Araka ny fantatra dia dian’antsy tsy latsaky ny fito no teny amin’ny vatan’ity ramatoa ity. Mbola hita teny an-toerana, tamin’ny fotoana nahitana ity habibiana tsy roa aman-tany ity ihany koa, ny zava-maranitra nampiasain’ireo olon-dratsy. Tsy hita teny an-toerana intsony ihany koa ilay mpanampy ka izy avy hatrany no niantefan’ny fikarohana sy ahiahiana, araka ny filazan’ny mpitandro filaminana hatrany. 40 taona ity vehivavy namoy ny ainy ity ary vadin’ny pasitera amina fiangonana zandriny iray. Any Arivonimamo no hanaterana ny razana ny alarobia izao.
m.L