Tsy mandry alina sy atoandro ny Zandary, amin’ny fihetrehana ny asan-dahalo eny ambanivohitra no mba hatrarana ny vinan’ny » Ministre Délégué en charge de la gendarmerie Nationale, » amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Poron’izany ny nahafaty voatifitrin’ny Zandary, ilay jiolahy iray nandritra ny fifandonana no tafaverina amin’ny tompony ihany koa ny omby nangalarin’izy ireo. Raha ny fampitam-bavaova voaray hatrany, dia ny andron’ny Alahady faha 25 Febroary 2024 teo, tokony tamin’ny sivy ora alina, no nahitana halatr’omby ny tao Ambavarano, fokontan’Antanimbaritsara, kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ka dahalo efa-dahy nitondra basy sy zava-maranitra no nanatanteraka fanafihana tao amin’ny tanàna voalaza etsy aloha, ary raim-pianakavina iray tokony 48 taona eo, nataon’izy ireo takalon’aina sy hoentina handemena ny olona, sady nentin’ireo malaso nivoahana hanohy ny lalana handosirana. Rehefa nahare sy nahazo antso an-taribia ny Zandary avy ao amin’ny » Poste Fixe Tsimandaingo », tonga dia nanao ny fanarahan-dia sy ny fiambenana kizo nalaky. Ny tolak’andron’ny Alatsinainy faha 26 Febroary 2024, no nifanehitra ny Zandary sy jiolahy, ka raikitra ny fifandonana, tao amin’ny toerana atao hoe Marojao ambony, manasaraka an’i Beakana, kaominina Andriba sy Tsimandaingo, kaominina Mahazomà. Vokany: Jiolahy iray tamin’ireo no lavon’ny balan’ny Zandary, raha tafaporitsaka ny namany, ary tafaverina amin’ny tompony avokoa ny omby rehetra. Tsara hatrany ny mampahafantatra, fa ikoizana amin’ny halatr’omby sy fakana an-keriny tao amin’ny kaominina Andriba sy Mahazomà ity dahalo maty voatifitra ity raha ny angom-baovao voarainay hatrany. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ny Zanadary.
Ratantely