- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMôtô niharan-doza : Lehilahy iray maty, roa naratra mafy

Môtô niharan-doza : Lehilahy iray maty, roa naratra mafy

Loza nahatsiravina indray no nitranga tetsy Ambodivona ny alin’ny alahady lasa teo. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona teo no maty rehefa tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana nitondrana azy, taorian’ny ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy. Olona iray hafa niaraka taminy kosa no naratra mafy. Araka ny fantatra dia teny ambony môtô ireto olona ireto no nodomina fiara taxibe iray teny an-toerana. Môtô maromaro izy ireo no niaraka, raha ny filazan’ireo olona nanatri-maso, nizotra toy ny ho any Andravoahangy. Niezaka hisongona taxibe iray, izy ireo ka afaka tamin’izany ireo môtô rehetra, fa izy roa taty afara no ratsy vintana, niantefan’ilay taxibe. Araka ny fitantaran’ireo olona teny an-toerana ihany dia toa hoe tsy nanao aro-loha izy roa ireto. Naratra mafy vokatry ny fifandonana, araka izany, ireo mpitaingina, ary izao namoy ny ainy vokatry ny habetsaky ny rà very izao ilay lehilahy. Fa lehilahy iray hafa ihany koa no naratra mafy, tapa-tongotra mihitsy, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, vokatry ny loza tamin’ny môtô ihany, omaly tokony ho tamin’ny mitaotaovononana teo, teny Soavinimerina. Araka ny fantatra dia nihodina fiolanana izy no tsy nahatana ny familiana intsony ka dia nifatratra tany amina fiara Sprinter iray. Ny loharanom-baovao teny an-toerana hatrany no nahalalana fa somary nandeha mafy ity mpitaingina môtô ity. Nentina haingana teny amin’ny tobim-pitsaboana ity naratra mafy taorian’izay. Efa manakaiky ny faran’ny taona ary ny aina tsy ananam-piry, tsy aleo ve asiana fitandremana ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser