Tsy nisy tsy gaga sy variana ireo mpandalo rehetra teny Anosy raha nahita ity ramatoa iray, any ho any amin’ny 35 taona any ho any, amin’ny fitafin’i Eva, omaly. Tsy misy na dia tako-kenatra iray aza, fa dia miboridana tanteraka. Araka ny filazan’ny olona efa nahatsikaritra ity seho hafakely teto an-drenivohitra ity dia, karazan’irony olona marary saina, madio irony ity ramatoa ity. « Niakanjo tsara io tamin’izy tonga teo fa nony kelikely dia nesoriny tanteraka ny akanjony ary dia nisasa teo amin’io rano mifantsintsitra io izy. Saingy toa nampidirina ihany ny akanjony avy eo », raha ny fitantarana olona iray teny an-toerana. Asa na nafana mafy indray angamba ny anao vavy fa fotoana fohy taorian’izay dia efa niboridana tanteraka indray ity vehivavy ity, nandena ny vatany tamin’ilay rano, vokatry ny fantson-drano vaky, araka ny filazan’ireo mponina. Fa rangahy iray, marary saina ihany koa no hitan’ny olona nanala tanteraka ny akanjony rehetra, ny herinandro lasa teo, teo amin’ilay « jet d’eau » teo Antanimena. Tsy nisalasala akory ity ranamana ity, raha ny filazan’ireo nahita, nanala ny fitafiany rehetra, ary dia nisaika sy nilomano tao amin’io toerana io. Ny andro mahamay dia mahamay, ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra, tsy atao mahagaga raha mihamitombo ny habetsak’ireo olona simba saina.
m.L