- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilÀ lireIlontsera : Mpanao gazety 100 hisitraka fampiofanana

Ilontsera : Mpanao gazety 100 hisitraka fampiofanana

Atrikasa tao Toliary ny datin’ny 20-21 Febroary lasa teo

Iray amin’ireo tetikasa tohanan’ny Unesco tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana ny serasera ny tetikasa Mahaaloke karakarain’ny ONG Ilontsera.  Ny Mahaaloke midika hoe Miaro dia tetikasa hampandaniana ilay volavolan-dalàna izay efa nahatratra 16 taona no niandrasana ny fampandaniana azy teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta saingy noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena sy ny tsy fahampian’ny adisisika dia mbola nihantona teo izy ity.

Ny LAICP « Loi sur l’accès à l’information à caractère publique »  na ilay tolo-dalàna novolavolaina tamin’ny taona 2006 saingy noho ny antony maro dia mbola anatin’ny adisisika sy haitaky ny mpanao gazety ho fampandaniana io volavolan-dalàna io. Natao ity tolo-dalana ity mba hahafahan’ny olom-pirenena tsirairay tsy ankanavaka indrindra fa ny mpanao gazety hisitraka ny antontan-taratasy sy tahirin-kevitra marina sy ofisialy eny anivon’ny ministera sy sampandraharam-panjakana isan-karazany  sy ny tsy miankina ihany koa.

Navadika ho « charte »ity volavolan-dalana ity taorian’ny fitondrana tetezamita ka sampandraharaha 27 no nanaiky fa hanatanteraka ireo fepetra voalaza ao anatin’ny volavolan-dalàna hametrahana rafitra hitantana sy hikirakira ary hizara ireo tahirin-kevitra  eny amin’ny sampandraharaha isan-karazany. Nisy ihany koa ny fametrahana « annuaire » mampahafantatra fa misy ny Ivon-toerana hakanana ireo tahirin-kevitra, antsoina hoe CDI. Ankoatra izay efa nisy ny paikady amin’ny fanamafisana sy fampiofanana ireo mpikirakira ny tahirin-kevitra eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana.

Mitohy ny adisisika sy haitaky ankehitriny, paikady iray entina hanatanterahana izany ny fampiofanana mpanao gazety hahafahan’ireto farany mahafantatra bebekokoa ity volavolan-dalàna ity sy hananana paikady entina hampandaniana azy. Mpanao gazety 100 eto amin’ny Nosy no misitraka fampiofanana ankehitriny manerana ny renivohi-paritany. Mitety faritany ny ONG Ilontsera manatanteraka ity fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza manaon’ny mpanao gazety ity. Hampirindra ny fandaminana dia avondrona amin’ny renivohi-paritany ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra maro, efa nahavita ny azy ny faritra atsimo dia tao Fianarantsoa sy Toliara.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici