Efa tsy misy hitombenana intsony ny saina sy ny fitobenana, ary ny toerana hipetrahana, manoloana ny fisehoan’ny fanafihana etsy sy eroa, raha ny eto Maevatanàna an-tampon-tanàna, isakin’ny Alatsinainy, izay nanomboka nitsidihan’ny taona 2024 teo, hatraty amin’ny volana Marsa. Raha ny vaovao voaray sy voamarina teny amin’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena eto Maevatanàna, dia ny harivan’Alatsinainy faha -4 Marsa 2024 no nisy jiolahy niisa roa, nitondra antsy lava lela na sabatra, no tonga nanao fanafihana sy fandravana teny amin’ny fokontan’Andranomangatsiaka, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany, ary iny variana nivarotra hani-masaka iny ilay Ramatoa, fantatry besinimaro amin’ny fiantso hoe: maman’i Jenny nokasain’ireo malaso hotafihana,ary nanabana antsy. Mora tamin’izy ireo nakan’ilay poaketra misy tady teny am-bozony, izay nisy vola roa hetsy Ariary sy telefaonina iray. Teo no nirifatra nandositra nalaky ny jiolahy, rehefa vita ny nataony, ary tsy tratran’ny polisy intsony izy roa lahy, na dia nahazo antso an-tariby ara-potoana, aza izy ireo, ny jiro raha teo ihany koa moa tapaka, ka mety izay indrindra nanaraotan’ireo olon-dratsy nandosirana, satria tsy hita ny toerana nalehan’izy ireo noho ny haizina nandrakotra ny tanàna. Rehefa nanao sy nanohy ny fanadihadian tamin’ilay ramatoa hatrany ny polisy, dia fantatra, fa mandanja volamena amin’ny alina ilay vehivavy. Marihina fa tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy nandritra ny asa ratsin’ireo tsy mataho-tody, ary mitohy hatrany kosa fanohizana ny fisafoana eny anelankelan-trano sy fanarahan-dia ataony polisy.
Ratantely