- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy enina mpanao fanafihana mitam-basy, maty voatifitra

Toliara : Jiolahy enina mpanao fanafihana mitam-basy, maty voatifitra

Lehiben-jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana ao an-tampon-tanàna Toliara sy ny manodidina no maty voatifitry ny polisy, afak’omaly hariva. Narahi-maso efa ho herinandro ity lehiben-jiolahy ity sy ny ekipany taorian’ny fanafihana nitranga tao Andakoro Toliara ny alarobia lasa teo. Nitsoaka tany Mangily Ifaty ireo mpandroba ka tany no nosamborina ary azo sambo-belona ny lehibeny, nefa nanohitra ny polisy sady nitifitra. Voatery niaro tena namaly bontana ny mpitandro filaminana, raha ny fanazavana.

Fanafihana mitam-basy fito. Raha ny nambaran’ny kaomisera Rufin Lebiria, dia voasaringotra tamin’ny halatra mitam-basy narahina famonoana olona ity lehiben-jiolahy lavon’ny bala ity, ka anisan’izany ny fanafihana « grossiste » tao Andabizy ny 4 jolay lasa teo sy ny tokantrano tao Andaboly izay samy nahafatesana olona iray avy, ary ny famakiana « coffre » oniversite Toliara nahavery vola iray miliara, sns. Fanafihana mitam-piadiana fito no nitranga tao Toliara nanomboka ny volana jolay no mankaty. Olon-tsotra efatra no maty, raha enina ny jiolahy. Basy maromaro nampiasain’ireo jiolahy kosa azon’ny mpitandro filaminana.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser