- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversLahiniriko Jean : Voampanga roa taona an-tranomaizina ireo nandroba ny tranony

Lahiniriko Jean : Voampanga roa taona an-tranomaizina ireo nandroba ny tranony

Naharitra adim-pamataranandro enina ny fitsarana ireo olona 25 izay voampanga ho nandroba sy nanimba ny fananan’i Lahiniriko Jean, filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha. Ny voalohan’ny volana jiona tamin’ny taon-dasa, raha hiverenana kely, no nitrangan’ity raharaha ity. Rehefa nolazain’ny olona fa namono nahafaty ny lehilahy mpivaro-kena iray teo Ambanilalana Itaosy ny mpiambina an’i Lahiniriko Jean, dia avy hatrany dia olona marobe no nirodorodo nankeny amin’ny fonenan’io farany. Nitora-bato ary tafiditra tao anatin’ilay toerana ireo andian’olona. Norobaina ny trano, nodorana ny fiara ary nopotehina ny entana sasany izay tsy voabata. Voatery nalefa nitsoaka tamin’ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana ireo mpiambina mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Simba hatrany amin’ny 95% ny entana rehetra, raha araka ny heno nandritra ny fotoam-pitsarana omaly. Ny fito tamin’ireo olona 25 no noraisina ny fiampangana azy, dia noho ny fandrobana, fanimbana fananana ary fidirana an-keriny ao an-tranon’olona. Nahazo fahafahana noho ny fisalasalàna ny telo, ary sazy an-tranomaizina roa taona kosa ny an’ny efatra ambiny. Feno olona ny trano fitsarana ary torak’izany ihany koa ny teny ivelany izay niandry ny valiny. Samy liana ny amin’izay mety ho didy navoakan’ny tetsy Anosy mantsy ny mponin’Ambanilalana izay tonga marobe, ny havan’izy ireo rahateo no maro tamin’ireo notsaraina. Tao anatin’ny vanim-potoana nampisesisesy ny fitsaram-bahoaka no nitrangan’iny fandrobana tetsy Ambanilalana Itaosy iny. Teo ihany ny haterezam-bahoaka ny amin’ny nahafaty ilay mpivaro-kena, saingy ny tena maro tamin’ireo nandroba dia ny mpanararaotra. Naparitaka tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso ireo olona nefa tsy nanakana loatra azy ireo ny tsy ho tafatsofoka tao anatin’ilay “villa” izany. Voatery nojerem-potsiny ny zava-nitranga mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Herintaona sy telo volana taty aoriana no nandeha ny fotoam-pitsarana ilay raharaha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser