- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndrangy Antsirabe : Tokantrano nasesin’ny jiolahy, rangahy iray voatifitra

Andrangy Antsirabe : Tokantrano nasesin’ny jiolahy, rangahy iray voatifitra

Nisehoana fanafihan-jiolahy tao Andrangy Antsirabe I ny faran’ny herinandro lasa teo ka raim-pianakaviana iray no voatifitra teo amin’ny feny.

Jiolahy manodidina ny folo lahy, mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanao ny fanafihana, voalaza fa ny roa tamin’izy ireo  no nitondra basy kalaky. Tokantrano telo no nasesin’ireo jiolahy notafihana nanomboka tamin’ny 9 ora alina raha ny fanazavan’ny niharam-boina ka tokantrano iray no tena voa mafy tamin’izany. Marihina fa mpivarotra avokoa ireo tokantrano ireo fa nisy ny  niato kely vokatry ny fanitarana izay atao. Vola 2 hetsy ariary  no azon’ireo jiolahy  tao amin’ny tokantrano iray raha toa ka  7 arivo  ariary monja kosa tao amin’ny tokatrano iray hafa . Naharitra ny fanafihana raha ny vaovao voaray hatrany, tokony tamin’ny 10 ora alina tany ho any mantsy no niditra tao amin’ilay tokatrano  ireo jiolahy, ity tokatrano  ity no tena nahita faisana. Rehefa tafiakatra tao amin’ny trano fatoriana ireo olon-dratsy, tsy nitsitsy fa avy hatrany dia nitifitra ny varavarana  ka nandaka izany avy eo. Voatosika no sady voavelin’ny vodibasy ilay ramatoa tao an-trano,avy hatrany  dia nipoaka fanindroany ny basy ka niantefa teny amin’ny vata-pen’ilay raim-pianakaviana. Nitaky vola ireo jiolahy saingy tsy nisy afa-tsy voa 7 000 ariary tao an-trano ka iny no nomena ireo jiolahy, tsy nanaiky anefa ireto farany ka nandrahona ny hamono, nipoaka indray ny basy ka teny amin’ny fandriana nisy zaza kely iray no niantefa, soa aloha fa tsy voakitika ilay zaza fa nandalo teo anilany ny  bala izay nandoaka ny lamba sy ilay fandriana nisy azy. Nifamaly vokatr’izany ireo jiolahy avy eo fa nisy tsy nankasitraka ny hitifirana ilay tokantrano. Nisy tamin’ireo olon-dratsy mihitsy aza no nanampy ilay ramatoa namehy  ny ra tsy  handeha tamin’ilay rangahy, ary nibaiko ny itondrana azy eny amin’ny hopitaly haingana. Heverin’ny fianakaviana noho izany fa olona mahafantatra tsara azy ireo jiolahy nanafika.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser