- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Manao fanamiana miaramila dia misoloky

Ambohimalaza : Manao fanamiana miaramila dia misoloky

Ilay Mpisoloky.

« 𝖬𝗂𝗅𝖺𝗓𝖺 𝗁𝗈 𝗆𝖺𝗁𝖺𝗍𝖺𝖿𝗂𝖽𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗈𝗅𝗈𝗇𝖺 𝗁𝗂𝖺𝗌𝖺 (sivily na miaramila) 𝖺𝗈 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖯𝗋𝗂𝗆𝖺𝗍𝗂𝗈𝗋𝖺, 𝗆𝗂𝗅𝖺𝗓𝖺 𝗁𝗈 𝗆𝖺𝗁𝖺𝗏𝗂𝗍𝖺 𝗆𝖺𝗆𝗉𝗂𝖽𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗁𝗈 𝗆𝗂𝖺𝗋a𝗆𝗂𝗅𝖺 𝗋𝖺𝗂𝗄𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗂𝗁𝖺𝗇𝗒 𝗄𝗈𝖺 𝗁𝗈 𝖺𝗇’𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗍𝖺𝖿𝗂𝗄𝖺 efa 𝗇𝖺𝗁𝖺𝗏𝗂𝗍𝖺 𝖿𝖺𝗇𝗈𝗆𝗉𝗈𝖺𝗆-𝗉𝗂𝗋𝖾𝗇𝖾𝗇𝖺. 𝖠𝗋𝗒 𝗆𝗂𝗅𝖺𝗓𝖺 𝗁𝗈 𝗆𝖺𝗁𝖺𝗍𝖺𝖿𝗂𝖽𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗆𝗉𝖺𝗆𝗂𝗅𝗒 𝗌𝗒 𝗆𝗉𝗂𝗍𝖺𝗍𝖺𝗆-𝖻𝗈𝗅𝖺 𝖾𝗈 𝖺𝗇𝗂𝗏𝗈𝗇’𝗇𝗒 𝖳𝖺𝖿𝗂𝗄𝖺 i𝗁𝖺𝗇𝗒 𝗄𝗈𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗍𝗈 », raha araka ny fanazavan’ny zandary eo anivon’ny borigadin’Ambohimalaza. Lehilahy iray sy ny sipany no manao ny fisolokiana etsy sy eroa. Itsy voalohany dia tsy miala amin’ny fanamiana miaramila kanefa sivily. Itsy faharoa kosa miray tsikombakomba aminy amin’ny « fanjonoana » ireo olona. Mazava ho azy fa noho ny tsy fisian’ny asa dia betsaka ny roboka sy nino, ary nisy hatramin’ny mpitandro ny filaminana aza. Eny anivon’ireny « bar » ireny no tena toeram-pilalaovan’ireto mpanao ratsy. Ao no manomboka ny resaka sy ny fitaka rehetra. Efa tafiakatra an-tapitrisany maro ny vola azon’ireo mpisoloky tamin’olona maro. Nanomboka nisy ny nitory teny amin’ny zandary rehefa nahatsiaro fa voafitaka. Natao ny velam-pandrika izay niafara tamin’ny fisamborana tao anaty toeram-pisotroana teo Ambohimalaza. Zavatra maro fampiasa amin’ny fisolokiana no sarona 𝗇𝖺𝗇𝖽𝗋𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝖿𝗂𝗌𝖺𝗏𝖺𝗇𝖺 ny tranon’ny olon-dratsy. Nisy f𝘢𝘯𝘢𝘮𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘬𝘢, g𝘢𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘬𝘢, s𝘢𝘵𝘳𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘬𝘢 (bérêt sy chapeau de brousse), baoty, a𝘬𝘢𝘯𝘫𝘰 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘬𝘢 𝘧𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘫𝘢𝘩𝘢𝘯-𝘵𝘦𝘯𝘢, s𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘢𝘴𝘪𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘰𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯a 𝘯𝘪𝘴𝘰𝘭𝘰𝘬𝘪𝘢𝘯𝘢, s𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘧𝘪𝘬𝘢, a𝘵𝘰𝘯𝘵𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘳𝘢𝘵𝘢𝘴𝘺 𝘮𝘢𝘳𝘰 (fangatahana asa, mari-pahaizana sy ny hafa koa). Nomarihan’ny zandary fa a𝗇𝗄𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗇𝗒 𝖿𝗂𝗌𝖺𝗇𝖽𝗈𝗁𝖺𝗇𝖺 𝖺𝗌𝖺 𝗌𝗒 𝖺𝗇𝖽𝗋𝖺𝗂𝗄𝗂𝗍𝗋𝖺 𝖺𝗋𝗒 𝖿𝗂𝗌𝗈𝗅𝗈𝗄𝗂𝖺𝗇𝖺 𝖺𝗍𝖺𝗈𝗇’𝗂𝗅𝖺𝗒 𝗅𝖾𝗁𝗂𝗅𝖺𝗁𝗒y 𝗂𝗍𝗒 𝖽𝗂𝖺 𝗆𝗂𝗌𝗒 𝗂𝗁𝖺𝗇𝗒 𝗄𝗈𝖺 𝗇𝗒 𝗍𝗌𝗂𝗇𝖽𝗋𝗒 𝖺𝗍𝖺𝗈𝗇𝗒 𝖾𝗇𝗒 𝖺𝗇𝗂𝗏𝗈𝗇’𝗇𝗒 𝖿𝗂𝖺𝗋𝖺𝗁𝖺-𝗆𝗈𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝗂𝗌𝗒 𝖺𝗓𝗒. 𝖬𝗂𝗍𝗈𝗇𝗈𝗇𝖺 𝗁𝗈 𝗍𝖺𝖿𝗂𝗄𝖺 hatrany 𝗂𝗓𝗒 am𝗂𝗇’𝗂𝗓𝖺𝗇𝗒. Nandritry ny fanadihadiana savaranonando dia fantatra fa efa indroa nigadra ilay lehilahy 42 taona ary vao tsy ela akory izany (2020 sy 2021). Mitovy hatrany ny heloka vitany dia ny fisandohana andraikitra entina misoloky. Tratra fanintelony indray izy ity ary mendrika ny mba manintona ny sain’ny tompon’andraikitry ny fitsaràna ny fanaraha-maso ny momba azy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici