- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVehivavy mpisoloky ipetrahan-javatra : Milaza ho mahay mamoaka volamena amin’ny vavany

Vehivavy mpisoloky ipetrahan-javatra : Milaza ho mahay mamoaka volamena amin’ny vavany

Araka ny voalazan’ireo mpitory dia efa maromaro ihany ny olona voasolokin’ity vehivavy iray ity. Raha ny an’ity ramatoa iray tafaresaka taminay ity dia nahatratra teo amin’ny 8 tapitrisa ariary teo no vola lasany. Tamin’izany mantsy dia nilaza izy fa olona ipetrahan-javatra ka afaka mampahita vato sy volamena ho an’ity ramatoa ity. Efa volabe no lasany tany, araka ny filazan’ity ramatoa ity ihany. Tsy mbola nisy anefa izay vato nomeny hatramin’izao. « Henonay tamin’izay fa any Mahajanga izy ka nidina nankany izahay », hoy ny filazan’ity ramatoa ity hatrany. « Tamin’izay no nilazany hoe ipetrahan-javatra izy ka omeny sy aloany izao dia izao ilay zavatra tadiavinay. Nihoakoaka nandoa teo ity vehivavy ity ary nivoaka avy am-bavany avy ny bolangam-bolamena, mbola misy rà manaraka. Niteny izahay avy eo fa tsy volamena no nifanarahana taminy fa vato « rubis ». Nilaza indray anefa izy fa tsy mety intsony ka dia nasainy niverina tamin’ny manaraka izahay. Nony niverenen’ireto olona ireto fanindroany tany anefa dia tsy tao intsony ilay ramatoa, raha ny fanazavana hatrany. Araka ny filazan’ity ramatoa, isan’ireo voasoloky dia nanomboka teo no tsy hita intsony izy. Olona no niteny fa tratra io ramatoa io ary any am-ponja no misy. Niakatra fitsaràna omaly ity ramatoa mpisoloky ity. Tonga teny ihany koa ireo olona efa nisolokiany ary anisan’izany ity ramatoa ity. Fantatra fa voaheloka ity mpisoloky gaigivavy ity ary naverina any am-ponja.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser