- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodiafontsy : Lehilahy hita faty, mifatotra ny tongony

Ambodiafontsy : Lehilahy hita faty, mifatotra ny tongony

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona teo ho eo no hita faty tetsy Ambodiafontsy, omaly hariva tokony ho tamin’ny 3ora tolakandro tany ho any. Araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana dia teo amin’ny ranon’i Sisaony, teo amin’ny barazy mivily mankany Ambodiafontsy, no hita ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Araka ny fanazavana azo hatrany dia nifatotra ny tongotr’ity lehilahy ity ary nivoaka ny lelany tamin’ny nahitana azy. Tsy nahitana ratra kosa ny vatany. Voalazan’ny mpitandro filaminana fa ankevitry ny novonoina, nokendaina tamin’ny tady sy nampiharana vatobe izy talohan’ny nanipazana azy tao anaty rano. Mbola nisy akanjo tsara ny lehilahy, pataloa  « jeans » sy akanjo ambony mainty, saingy tsy nisy marika na taratasy nahafantarana azy kosa teny aminy, raha ny loharanom-baovao hatrany. Tsy misy mahafantatra an’ity lehilahy ity ireo mponina rehetra teo an-tanana, raha ny fantatra hatrany. Tsy mponina teo an-tanana rahateo ihany koa izy araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana. Voalazan’ireo mpitsabo nidina teny an-toerana ihany koa fa efa ho 24 ora talohan’io no efa maty ity lehilahy ity. Efa misokatra ny fanadihadiana momba an’ity vono olona mahatsiravina ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser