Lehilahy iray manodidina ny 22 taona teo, araka ny filazan’ny mpitandro filaminana, no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy teny Ambatobe, omaly maraina. Araka ny voalazan’ireo olona teny an-toerana dia fiara pilaky maitso, an’ny ambasady iray, ity nandona olona ity. Voalaza fa handeha hanatitra mpianatra izy io. Handeha hiampita ny arabe ity tovolahy ity no sendra ilay fiara, izay tsy nahita azy fa somary takona tao ambadiky ny daban-jaoridira, raha ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany. Tsy nahitana diana hisitra teny an-toerana, hoy ny mpanao fanadihadiana, noho izany mety ho tsy nandeha mafy ihany izy. Mafy ihany anefa ny fifandonana raha ny fitantaran’ireo nahita, satria efa nipitika lavitra ny toerana ilay tovolahy ary naratra mafy tokoa. Nivoaka rà ny vavany sy sofiny ary ny orony, raha ny fanazavana hatrany. Ity fiara nahavanon-doza ity no nitondra io naratra io nankany amin’ny toeram-pitsaboana, araka ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly amin’izao fotoana izao ilay olona naratra io. Voalaza teny an-toerana fa nitsoaka ity fiara ity taorian’ny nisehoan’ny loza. Ireo mpitandro filaminana anefa no nanamarika fa mbola tazana teo ilay fiara tamin’ny fotoana nidinana teny an-toerana. Nilaza ihany koa ireto farany fa nampanantsoina teny Tsaralalàna ilay mpamily hatao famotorana.
m.L