Mbola nisy nahavita nangalatra moto ihany omaly nandritry ny savorovoro momba ny raharaha fako. Ny olona sy ny polisy mbola variana nanisaka ny dabam-pako, ny rangahy iray kosa dia zavatra hafa mihitsy no natosiny moramora : kodiaran-droa. Efa lasa lavisavitra izy ary hitan’ny polisy fa tsembo-dratsy. Nanomboka teo ny fanahiana. Nosavaina ny taratasin’ny moto ary voamarina fa tsy azy velively. Tsy nila famotorana akory dia efa fantatra fa moto avy nangalarina ilay natosiny. Teo ihany dia efa nosamborina ary nofatorana rojovy ny tanany. Nihorakoraka ny olona satria tezitra tamin’ny nataon’ity rangahy ity izay nanararaotra tao anaty fahasahiranan’ny hafa. Omaly ihany dia efa natao ny fakàna am-bavany azy.
D.R