Natolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy voasambotra, tra-tehaka am-bodiomby teo am-pangalarana moto, tetsy Ampasampito, nandritry ny grevy teny an-toerana ny andron’ny 15 martsa lasa teo. Nadoboka avy hatrany teny Antanimora ity farany taorin’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena dia efa mpangalatra hikoizana sy mpamerin-keloka ity farany. “Polisy nitandro ny filaminana teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra lehilahy iray nanosika moto sady efa tsemboka no tsy nisy aro loha. Nosavaina avy hatrany ity farany ary fantatra tamin’izany fa tsy azy ilay moto”. Raha tsiahivina, tamin’io fotoana io indrindra no nisy ny fitokonanana nataon’ireo mpiasa teo anivon’ny SMA ka nibahan’izy ireo ny lalana teny amin’ireo faritra maro manodidina an’Ampasampito iny. Nandritra izay karazana sakoroka izay indrindra no nanararaotra nanao ny asa ratsiny nanosika moto iray nipetraka teny an-toerana ity farany. Soa ihany, nisy nahita ny zava-nisy. Tetsy andanin’izay ihany koa nampiahiahy tanteraka ny fihetsika nasehon’ingahirainy ka nahatonga ireo polisy nandray andraikiny avy hatrany. Nosamborina avy hatrany ity farany taorian’izay ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo ho amin’ny famotorana azy. Ary io natolotra ny Fampanoavana sy nadoboka am-ponja vonjimaika io.
m.L