
Andaniny, ny kodiaran-droa nanao taingin-telo ary nandeha mafimafy. Ankilany, ny fiara avy aty amin’ny làlana mifanena amin’izy ireo indray nivoaka ny làlana ary nanitsaka ny lavaka tamin’ny sisin-dàlana. Tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily ary dia nivarina nankany amin’ny zoron-dàlana ilany nandehan’ilay kodiaran-droa. Vokatr’izany dia nifandona mafy ny roa tonta. Omaly tolakandro no niseho izany lozam-pifamovoivoizana izany tetsy Ambohitrombihavana. Naratra ny mpandeha moto ary nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana teo Ambohimangakely. Tsy azo nakisaka ireo fiara sy moto fa mbola niandry ny mpanao fanadihadiana.
D.R