Tovovavy iray 15 taona mpianatry ny CEG handeha hody avy nianatra, omaly tamin’ny 9 ora sy sasany, no nihetsika Ambalavelona teny an-dàlana nifanintontsintona sy nifotafota farora-kivy. Tsy hay na vokatry ny hafanana nidanika loatra no nampihetsika ny aretiny, na antony hafa. Izy efa nitsirara tamin’ny tany no nanaitra ny mpandalo sy ny teo amin’ny manodidina. Nisy avy hatrany nitoraka zava-maitso. Soa ihany fa nisy laharana findain’ny reniny teo amin’ny « carnet de correspondant »-ny, ka nantsoina avy hatrany ity farany naka ny zanany nanomboka nahatsiaro tena, toa menatr’olona. Ny mahagaga, dia saika isan-taona, dia misy ankizivavy vaovao hatrany tratran’ity aretina ity, indrindra raha miandoha kely ny taom-pianarana na an-katoky ny fety toy izao no mampihetsika ny Ambalavelona. Tsy fantatra izay ao ambadik’izany, na misaringotra hatrany amin’ny resaka ody fitia.
Manitrisa
Toliara : Mpianatry ny CEG, nihetsika ambalavelona teny an-dàlana
Articles qui pourraient vous intéresser