- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Ilaharana sy ifampitadiavana ny lasantsy

Toliara : Ilaharana sy ifampitadiavana ny lasantsy

Hatramin’ny afak’omaly no mankaty nilaharana ary nifampitadiavana ny lasantsy ao Toliara, indrindra ny teo amin’ny tobin-tsolika Bazaribe. Raha ny fanazavan’ny mpitantana iray amin’ny fitsinjarana solika, dia noho ny delestazy no mahatonga an’izany, satria vitsy amin’ireo « station » mampiasa milina mpamokatra herinaratra. Maty ny jiro tsy mivarotra izy ireo. Mitombo ihany koa ny filana solika amin’ny fahatapahan-jiro mahazo laka amin’izao. Nanampy trotraka izany ny resaka mandeha, fa mety tsy hisy solika ato ho ato, noho ny olana eo amin’ny famatsiana. Raha ny delestazy ao Toliara no asian-teny, dia mpanjifa maro no maty antoka tanteraka ankehitriny,  satria tsy miodina ny asa fihariana. Adiny dimy isan’andro raha misy no mandeha ny jiro amin’ny fokontany sasany, raha tokony ora valo. Miaina ao anaty haizina sy horohoron’ny fandriampahalemana marisarisa vokatr’izany.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser